4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiainana ety - Tarika Loly

Fandalovana avokoa ny ety an-tany,

Na ny ratsy na ny soa izay vitanao tety,

Hisaraka aminao indray andro any.



Tsy maharitra ny ety na ory ianao na manana,

Na ireo mpifankatia izay niombona ho doria,

Fa mbola hifandao indray andro any.



Alahelo sy tomany, fijaliana eto an-tany,

Mbola ho foana, tsy mba hisy ny ho doria,

Fa mandalo e ny fiainana ety.



Tsikitsiky, hafaliana eo anilan'olon-tiana,

Mbola ho foana, tsy mba hisy ny ho doria,

Fa mandalo e ny fiainana ety.



Na i Dada nanasoa, niasa tamin-kerim-po,

Na i Neny izay nitondra folo volana,

Hisaraka aminao indray andro any.



Anatranatra sy teny izay fanaon'izy ireny,

Mbola ho foana, tsy mba hisy ny ho doria,

Fa mandalo e ny fiainana ety.

Partager ny fiainana ety

Commenter ny fiainana ety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Loly